madagascar news

SOMBIM-BAOVAO : Coupe de Madagascar et résultats sportifs

Les matchs du Yas Coupe ont livré leurs résultats à Iavoloha. À Soa Ambohimanga, les tournois de Coupe de Madagascar et beach volley U19/Seniors se préparent.

Notontosaina nanomboka ny sabotsy teo, teny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny fihodinana faharoa, fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, Yas Coupe.. Samy nangoron-damba amin’ity fifanintsanana ity ny Disciples FC Espoir sy ny Cosfa II.. Marihina fa lavon’ny Valahara tamin’ny isa 3 no ho 2, ny Disciples FC Espoir, raha toa ka resin’ny CFT 3FY tany amin’ny fandakana “tir au but”, 5 no ho 3, kosa ny Cosfa miaramila, rehefa nanao ady sahala 3 no ho 3.. Voahosotra

ho tompondakan’i Espagne, La Liga, ny FC Barcelone, afakomaly, tao amin’ny Kian-jan’ny Camp Nou.. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0 ny klioba faharoa, Real Madrid FC.. Tsy nanohitra mihitsy ny Real Madrid tamin’ity fifanandrinan’ny roa tonta ity, ary mora tamin’ireo mpilalaon’ny Barça ny naka ny fandresena teo an-jaridainany.. Tsara marihina fa misedra ny taona fotsy indray ny Real Madrid, mandritra ity taom-pilalaovana ity.. Hotanterahina ny 22 hatramin’ny 24 mey izao, eny amin’ny tanàna

Soa Ambohimanga, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara sy Beach Volley, sokajy U19 sy Seniors, lahy sy vavy, taranja volley ball.. Fihodinana voalohany ny fifaninanana beach volley ary any Toamasina kosa no hanatanterahana ny fihodinana faharoa.. Efa misokatra ny fisoratana anarana.

Yas Coupe, Coupe de Madagascar, beach volley, U19 Seniors, FC Barcelone La Liga, Real Madrid

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Are you human? Please solve:Captcha


Secret Link