Humanity First et les Ahmadiyya offrent des soins gratuits

L'ONG Humanity First, en partenariat avec la communauté Ahmadiyya, déploie une équipe médicale internationale à Antananarivo pour offrir trois jours de consultations gratuites aux populations vulnérables.
Marobe ireo olona tsy misitraka fitsaboana ara-dalàna amin’izao fotoana izao, noho ny fahasahiranana.. Mano-loana izany, mandalo eto Antananarivo, manome fitsaboana maimaimpoana mandritra ny telo andro, ireo dokotera miisa enina avy amin’ny ONG Humanity First avy any Alemana, tarihin’ny dokotera Wjahat Waraich.. Fiaraha-miasa amin’ny miziolomanina Ahmadiyya no ahafahan’izy ireo manatanteraka ny fitsaboana eny amin’ny foiben-toeran’ny Ahmadiyya Andava-mam-ba.. Dokotera manam-pahaizana momba ny fo, ny taolana, ny aretina mahazo ny vehivavy ary ny aretina amin’ny ankapobeny izy ireo..
« Olona maro no hotsaboina sy omena fanafody amin’ny fandalovanay eto amin’ny foiben-toeran’ny miziolomanina Ahmadiyya.. Maimaimpoana ny fitsaboana satria hisitraka fitsaboana avokoa ny olona rehetra na sahirana aza izy ireo.. Ireo olona sahirana ireo indrindra no tena entaninay ho avy amin’izao fandalovanay izao », hoy ny fanazavan’ny dokotera Wjahat Waraich.. Efa nisy ny fitsaboana maimaimpoana tany amin’ny faritra, toa an’i Fianarantsoa, Melaky ary Toliara, fa anjaran’ny eto Anta-nanarivo indray amin’ity manaraka ity ka haharitra telo
andro izany.. Nohamafisin’ny mpitarika ny miziolomanina Ahmadiyya, ny misionera Ahmed Mujeeb, fa fanampiana ny olona rehetra tsy ankanavaka izao fitsaboana ataon’izy ireo izao.. Tsy misy fanavahana na ara-pivavahana na ara-pinoana na ara-bolon-koditra na ara-pirazanana na ara-piaviana.. « Fitiavana ho an’ny rehetra ary tsy misy fankahalana na iza na iza », hoy izy.. Marihina fa izany rahateo koa ny tarigetra efa napetraky ny Ahmadiyya rehefa manao asa sosialy toy izao.. Jean Claude
Humanity First, Ahmadiyya, soins gratuits, santé Madagascar, humanitaire, Antananarivo, médecine