madagascar news

Fimpima FJKM Ambohitantely : une célébration marquée par 20 jeunes orateurs

À l’occasion des 15 ans de la branche Fimpima FJKM Ambohitantely, un culte de reconnaissance a eu lieu, suivi d’une remise de tissus à 20 jeunes orateurs.

Feno 15 taona ny rantsana Fimpima FJKM Ambohitan-tely.. Nomarihina omaly izany tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra, nandritra ny alahadin’ny SLK ny maraina, tao an-toerana.. No-tontosaina nandritra izany ihany koa ny fampisalorana lamba ireo mpikambana tsotra, mpikabary miisa 20 mianadahy.. Nanatontosa ny fampisaloran-damba ny filoham-paritany Fimpima, Andrianady Bandro.. Nisolo tena ny filoha Fimpima maneran-tany kosa Razanamasy Tsikitsiky, filoha mpanampy.. Tazana nanotrona tao koa ireo filohan-tsampana mpiara-dia sy mpikambana vitsivitsy.. Marihina fa Rabelanalisoa Ravalitera Jean no tomponandraikitry ny rantsana Fimpima FJKM Ambohitantely.. Ito farany izay mpikabary, poeta, mpanoratra, mpampianatra ary filohan’ny sokajy teny sy zavakanto eo anivon’ny Aka-demia Malalgasy.. Raveloari-son Felaniaina kosa no tonian’ny fampianarana eo anivon’ny Rantsana Ambohitantely.. Midika ireo fa anisan’ny rantsana tsara fehy, tsara kolo, izy ity.. Raha ny nambaran’ny tomponandraikitra, mbola maro ireo hetsika hotontosaina mandritra ny fanamarihana izao faha-15 taona izao.

Fimpima FJKM Ambohitantely, 15 ans, SLK, orateurs, remise de tissus, jeunes membres

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Are you human? Please solve:Captcha


Secret Link