Mpampivelona : Ilaina ny fidirana anaty Holafitra

Misryoum manasongadina ny maha zava-dehibe ny fidirana ao amin’ny Holafitry ny mpampivelona eto Madagasikara mba hiadiana amin’ny fisandohana.
Manetriketrika ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampivelona na ny rasazy, amin’ity herinandro ity.. Marihina any amin’ny faritra Anosy izany.. Lohahevitra voizina maneran-tany ny hoe, Mpampivelona iray tapitrisa fanampiny.. Mampiharihary ny tsy fahampian’ny rasazy ma-neran-tany izany ka anentanana ny firotsahan’ny tanora hiantsehatra amin’izany asa masina izany.. Tany amin’ny faritra Boeny no nanaovana ny fanamarihana tamin’ny taon-dasa.. Rasa-zy 400 avy amin’ny faritra 18 no tonga manotrona ny hetsika ao Anosy, amin’izao fotoana.. Nanazava ny filohan’ny
Holafitry ny mpampivelona eto Madagasikara (ONSFM), Ra-soanaivo Tiana Malala José, fa tena zava-dehibe ny fidirana anatin’ny rafitry ny Holafitry ny mpampivelona.. Io no sehatra hiarovana ny asa sy hanavahana ny tena nianatra sy ny mpisandoka.. Ady mafy atrehin’ny ONSFM ny ady amin’ny rasazy sandoka izay manao izany asa izany nefa tsy nianatra momba izany akory, tsy ma-nana mari-pahaizana.. Loza mitatao ho an’ny fiarahamonina izy ireny ka tsy maintsy handraisana fepetra hentitra.. Manimba ny asan’ny mpampivelona
amin’ny ankapobeny ihany koa ny asa ratsy ataon’ny mpiasandoka eny anelakelantrano.. Miantoka tanteraka ny ain’ny reny sy ny zaza anefa ny rasazy, mialoha ny vohoka, mandritra ny fitondrana vohoka ary ao anatin’ny fiterahana.. Iankinan’ny ain’ny reny sy ny zaza izy ireo.