Kick Boxing : Rafidison José élu à Mahamasina

À Mahamasina, Rafidison José a été élu président de la Fédération malagasy de kick boxing pour quatre ans après plusieurs tours de scrutin.
Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana eo anivon’ny Federa-sioni-na malagasin’ny kick boxing.. Lany ho filoha Rafidison José.. Nafanafana ny fifidiananana natao teny Mahamasina ary naharitra ora maromaro mihitsy izany.. Ligy 14 no tonga nanatrika sy nandatsa-bato.. Rehefa vita ny fanaraha-maso ny antontan-taratasy rehetra, nirosoana ny fivoriambe sy ny ady hevitra.. Nizotra ny fifidianana taorian’izay, ka nahazo vato 6 ny kandidà Boto Gilbert, raha toa ka 4 avy kosa no azon’i Vital Serge
sy Rafidison José.. Nirosoana ny fandatsaham-bato faharoa ho an’i Vital Serge sy Rafidison José, noho ny fitoviana.. Tetsy ankilany, tsy nahatratra ny antsasa-manila ny kandida Boto Gilbert.. Nahazo ny vato 9 i José nanoloana an’i Vital Serge izay nahazo vato 5, ka tafakatra hiatrika ny “duel” farany tamin’i Boto Gilbert.. Nirosoana ny fandatsaham-bato farany ka nahazo vato 8 Rafidison José, raha toa nijanona tamin’ny vato 6 ihany ny an’i Boto Gilbert.. Lany hitantana ny Federasionina
malagasin’ny kick boxing, mandritra ny efa-taona manaraka, araka izany, Rafidison José.. Noha-ma-fisiny fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra izy ary tsy hanosi-bohontanana, na ny nifidy azy na ny tsy nifidy.. Hihaino ireo raiamandreny ny filoha vaovao Nambaran’ity filoha vaovao ity ihany koa fa hanatona ireo raiamandreny maniry hitondra fanavaozana amin’ity taranja ity ny tenany.. “Hanatona azy ireo aho ary hanontany sy hangataka ny soso-kevitra ary tena vonona ny hifanolo-tanana ho fampandrosoana ny taranja kick boxing”, hoy
ny nohamafisin’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny kick boxing, Rafidison José.
kick boxing, Mahamasina, Rafidison José, élection fédération, Vital Serge, Boto Gilbert, Fédération malagasy